HAFATRO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRO…
Nalefako niampita, nihazo lalan-kafa,
‘zay tsy hitam-pahavalo, ilay hafatrahafatro iny.
Kinanjo tsy tafita, noho ‘lay izy feno ràtra,
vokatry ny hadalana, niainako fahiny.

Dia toa zary tsy hita, tsy tonga hatrany akory,
fa variana niampita, ‘lay lalana honahona.
Angamba ihany koa, mbola resiresi-tory,
ka tsy nisy mba nanampy, fa niankim-pahazotoana.

Saingy indrisy, fa ilay hakamoana,
no nandrendrika ny toky, tsy ho zary fanompoana.
Hifonana aminao, ny zavatra tsy efa,
foiny foko ilay nandao, sady toa nilefa.

Ny adidy tsy tanterako, hany entam-besatro,
rojo-pamatorana, ny lasanao sy ny ahy.
Raha mbola tananao, any ilay peratro,
dia hoavy foana aho, fa aza mba manahy.

Ry fireneko, tsy hadinoko ireny, tosi-tananao,
mbola tsy hadinoko, eny hatramin’izao.
Fa tsy tafita akory, ‘lay hafa-nampitaiko,
ka angamba efa foana, tsy fantatro, tsy haiko,
raha toa tsy teo ianao, nitondra azy iny,
dia tsy nisy intsony, ny akon’ny fahiny.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Lien:
329 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222