HAJA SY DERA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAJA SY DERA…
Raha soritina mialoha,
ny fahefana hanananao.
Na hofaritina avokoa,
ny voninahi-tananao.
Dia ho sarotra ny handrefy,
izay tena toetranao.
Ary ho sarotra ny hamefy,
azy tsy hiova toy izao.

Raha efa fantatra nialoha,
ny fiafaran’ny fiainanao.
Na koa,
izay ho mety ho vadinao.
Dia tsy ho olana angamba,
ny hiampita hazo boboka.
Ary ianao tsy hanary lamba,
na hanendaka ny an-koditra.

Nefa raha irony haja,
no hifatraranao mafy.
Na ny dera tsisy lanja,
no ataonao fitafy.
Dia fatorana izy ireny,
mety hamatotra anao.
Sady sarisarin-teny,
ozom-be mety hitatao.
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Lien:
235 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232