HAMONO TENA AHO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAMONO TENA AHO…
Mialà ianao, fa aleoko aho ho faty!
Mialà ianao, fa efa diso mafy,
‘ty kapoka azera, tetehana hibahanana,
ny fontsikaroa, tsy hahita fiadanana.

“Ry Meva, mangina, aoka ny tomany,
tiako foana ianao, na dia ho an’ny tany.
Nefa, tsy ny fahafatesana, no mety ho vahaolana,
fa ny fandeferana, am-po tsy miolakolaka”.

Mahefa a! Tsy zakako e! Tsy zakako intsony,
na ho ampanginiko aza, ny foko tsy mitony.
Fa hitroatra hatrany, hikiry ny hitia,
very aho! Satria aho tena tia.

“Izaho mitovy anao, nefa ho alaheloko,
feriko anaty, ary tsy ho teliko,
ny hahita anao handao, ny akany feno setra,
na dia ny fitiavantsika, noterena hisy fetra”.

Eny! Eny ry tsy foiko, fa noho ianao niangavy,
dia hampitoniako, ny hambom-po mitady,
hamatotra ny aiko, ho vadin’ny fasana.
Tsy handeha aho, raha toa ianao mbola tsy lasana!

“Meva, ‘ty rediredinao, manery an’Andriamanitra,
manao izay mahatezitra, mahasosotra ny lanitra.
Toy ny mihantsy ady, miantso tody mihitsy!
Tsy omeko tsiny ianao, nefa kosa indrisy,
fa aza dia terena, ny nahary antsika,
raha toa ka ny fitiavana, izay antsika, no efa mangatsiaka.
Na mety ratsy fototra, ka tsy mba nitsiry,
tantara mifarana eto, handeha atao tahiry”.
RRAG
Jolay 2012
--------
Lien:
384 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265