HO AIZA E? (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AIZA E?
Mba mahagaga ahy! ‘Ty fiainantsika gasy,
fa n’aiza n’aiza aleha? Dia misy ny mpisompatra!
Misy foana mampanahy, mampangasihasy,
k’izay no nahatonga, ahy mba nanoratra!

Manora-tora-po, hanairana ny gasy,
hanairana azy hifoha, amin’ny torimaso,
aiza moa kah! Mangala-taolam-paty,
manolana ny zanany, tsy misy henamaso?

Mahantra ianao, atositosik’olona,
ny kely an-tananao, mbola alainy indray,
manana ianao, ao ny mimonomonona,
miketrika ny handrombaka, ny azo hatramin’izay!

Aiza moa kah! Efa hatrany am-pasana,
tsy avelany hitoetra, sy handry am-piadanana?
Fa tsy maintsy iandrasana,
raha tsy izany dia, ny taolanao no lasana!

Ho aiza e? Fa toa tsy afa-miaina,
tsy manam-pahafahana, ny mba hitoetra kely,
ka any, vaky hatramin’ny saina!
atao ahoana moa fa, tsy afaka miteny?

Ho aiza izany isika, raha eto an-tany atosika?
Ho aiza izany isika, raha ho any am-pasana fongarina?
Mahantra ianao, misy koa mpanilikilika,
ho aiza fa ny toe-tsaina mihitsy, no ilaina amboarina?
RRAG
21 Aogositra 2017
--------
Lien:
561 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0237