IAVAHAN'NY FITIA… (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IAVAHAN'NY FITIA…Moa kay 'ty fitia ka, anana navoly,
mora afindrafindra, rehefa leo ny fo?
Mifindra toerana eny, sy hafa tanimboly,
fa misy ny ankehitriny, dia nisy ny taloha.
Moa kay 'ty fitia ka, mety lany tsiro,
toy ny siligaoma, 'zay mety lefy maminy?
Ny ao am-po tokoa 'zany, mety maty jiro,
raha sendra lao mionona, anatin'ny akaniny!
Misy ny fitia, toa sarisary ihany,
toa tsy foin'ny tompony, ho an'izato tiany,
ireny izao no isany, ninday ity tomany,
rehefa sendra tratran'ny: "Izaho tsy any intsony”.
Saingy na izany, misy koa fitia,
tena avy ao am-po, tsy takatra isaina,
manaja irony toky, fa hoe hiara-dia,
ka vonona hatrany, ny hivelona hiara-hiaina.
Misy koa fitia, madio sy tsy voarefy,
ilay namato-dina, hitia ho doria,
tsara fiandohana, sady tsara tefy,
io no tena endrika, iavahan'ny fitia!
RRAG
22 Aogositra 2018
--------
Lien: