INDRO…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRO…!
Indro raozy iray niria,
nihevi-tena tsy halazo,
no nalavon’ny fivoarana.
Tovovavy iray nania,
nikiry hananika ny avo,
nianjera tan-tsampanan-dalana.

Ilay nikohizana fahiny,
noho ny ditraditra efa vitany,
teny anivom-piarahamonina,
indrisy anefa ankehitriny,
ny ranomaso indray no ritrany,
milaza tena ho leo monina.

Ahilikiliky ny hafa,
sao hamindra aretina hono,
amin’ny dimby vao mamindra,
zary nenina ‘reo lasa,
diam-penin-tsy voavono,
toy ny aretina mifindra.

Alavirin’olo-maro,
atositosiky ny fiainana,
dia mitokantokana eny.
Indrisy tsy afaka hifangaro,
mandefa ilavitra fisainana,
ka dia miteniteny irery.

Indro tovovavy iray niria,
nihevi-tena tsy ho lavo,
no natontam-pandrosoana.
Raozy mena iray nania,
naka loko mavomavo,
no lasa akanim-pahalotoana.
RRAG
03 Jolay 2018
--------
Lien:
555 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241