INJAY ‘LAY ANGANONY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INJAY ‘LAY ANGANONY…!
Tsaroako ilay alina, alohan’ny hatory,
i Neny misafo, mitantara ilay anganony.
Ny maso amin’izay, efa resi-tory,
fa ny fo te hiaritra, haka ny maminy.

Tsy i Fara malemy, na i Koto be kibo.
Tsy i Kotofetsy, na koa i Maka.
Tsy mbola i Maintsoanala, ‘lay angano safidy.
Fa i Ravoalavo, tena fetsy lahy!

Tsaroako ihany koa, ny fihomezan’i Zoky,
toa latsaka ery, dia manaitra ny tory.
Indraindray mihitsy aza, akombon’i Neny ‘ty boky,
amin’ity fihomezan’adala, toa manorisory.

Injay ‘lay anganony, tantarain’olon-kafa,
toa tsy hitako ny tsirony, fa toa hafahafa.
Tsy ao mantsy ireo, feo mahatsikaiky.
Ny famakian-teny, amin’izany taraiky!
RRAG
12 Desambra 2014

--------
Lien:
409 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224