INY DIA MANGINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY DIA MANGINA…
Iny dia mangina, aza mitomany.
Asio fifaliana, mba hanamamy tany!
Iny dia misaora, izay mpanome.
Aza avela ho foana, ao am-pon’ise!
Fa ny firaisankina, dia tokan-tsaro-pady,
sady mananjina, ka alaviro ny ady.

Iny dia mahaiza, mahaiza mankasitraka.
Nefa ho hatraiza, vao tsy hisy fitapitaka?
Atahorana handrava, ‘ty firaisankinantsika,
‘zay efa toa mazava, fa hita mangatsiaka.

Iny dia mba raiso, ny tanako mila tantana,
hovelomintsika eto, anaty fisandratana,
ilay firaisankina, ravan’ny omaly,
tanaty fo nitroatra, tanaty fo nijaly.
Tanaty hatezerana, zary loniloni-po,
fohazintsika ireny, hikaroan-tsoa,
hanambarana indray, ny tady efa tapaka,
hamoahana ireo, voafonja any an-davaka!

Iny dia mba tsofy, omeo tso-drano ireo mikiry,
ka mifandray tanana, anaty firaisankina.
Tondraho, ireo fitia nitsiry,
afaka manambatra, irony vinavina.

Iny dia mangina, aza mitomany.
Asio fifaliana, mba hanamamy tany.
Asio fandeferana, lavi-donilony.
Ny entanao mavesatra, zarao raha tsy hampitony.
Iny dia sahia, sahia ianao miroso!
Sahia ianao, sahia ny handroso!
RRAG
Desambra 2012
--------
Rohy:
300 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207