INY FOKO RAHA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY FOKO RAHA…
Iny foko raha hitroatra, hanambara ny tadidiny,
hilaza izany am-po miloaka, izay anjara nofinidiny,
dia tsy maintsy hisento ihany, hitsiaro ny fitiavako,
hahatadidy ny tomany, tao am-pon’ilay finiavako!

Iny foko raha hitady, hafaliana ilavidavitra,
tsy hahalala tany fady, raha hitady an’ilay avotra,
fanavotana ahy raha trotraka, tsy manan-kerim-po intsony,
nanarenana ahy ‘lay potraka, mba hahatonga fo hitony!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
331 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236