INY TSIKINY INY! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY TSIKINY INY!
Iny tsikiny iny, tsy midika velively,
‘zay heverin’ny fonao!
Ny jeriny, na aza tsy afaka niteny,
dia tsy ny eritreritrao!

Raha mety, aza terena haneho fitia,
ny fahatsorana nasehony.
Aza adika akory hoe, te hiara-dia,
ny angolangolam-peony!

Iny tsikiny iny, tsy nilaza sanatria,
izay nihiboka tam-pony!
Iny fony iny, tsy namboraka fitia,
ka aza terena tsy hitony!

Raha mety, ny eritreritrao aleo,
tsy dia hisidina ambony!
Ihany koa, ny sainao tereo,
tsy hanosika azy intsony!

Hankahala ilay fitia, izay noheveriny,
nandràtra ny atin’ny fony!
Namonga-dasa, efa naleviny,
‘zay tsy ninoany hitony.
RRAG
31 Oktôbra 2019
--------
Lien:
450 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0243