IRENY AHO ZAZA! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY AHO ZAZA!
Ireny aho zaza, tsy nisy zava-pantatro, mombanao ry Dada.
Tsy nisy fahatsiarovana, tahirim-pahazazana, fa ranomaso lava.
Kanefa aho mba velona, velon’ilay Reny, izay niteraka ahy.
Tafitany ihany aho, voarony ihany koa, tanaty ny ahiahy.
Na dia ny anaranao, tsy nisy mba niteny, toa tsy tiako ho re.
Tsy tiako ho hay akory, ny manonona azy, na indray mandeha.

Na rovi-boro-damba, na sisasisam-bava, no hany teny an-tanako.
Tsy nisy avy aminao, tsy nisy, tsy volanao akory no niala tamin’ireny.
Kanefa ianao etoana, maneso manaraby, ‘lay Reniko tsy foiko.
Mangina izato ianao, aza miloa-bava, fa tsy ho vitanao ireny.

Tsy ho vitanao ny hiaritra, hitàna ranomaso, hisedra ny aretiko.
Ianao aza, nandositra adidy, tsy nahafantatra akory, ny ràtra izay nentiko.
Ka akombony dieny izao, aza miloa-peo, hanaratsy akory ny hafa.
Fa ny anao aloha jerena, banjino ny hoavy, diniho irony lasa.

F’ireny aho zaza, tsy nisy nampitafy, ankoatra an’i Neny.
Ka izy irery ihany, no manam-pahefana, manan-jo hiteny,
hanabedy ahy, amin’ny zava-bitako, sy ireo tsy mba nefaiko.
Hafa ihany i Neny, maharitra ny ditrako, ka izy izao no ilaiko.
RRAG
04 Jona 2005
--------
Lien:
314 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223