IRY TARA-MASOANDRO IRY EH…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRY TARA-MASOANDRO IRY EH…!
Iry tara-masoandro iry, no namako omaly, sy namako anio.
Ny rivo-nitoetra, no zary nifofo, injay! Nitondra tadio.
Fa iry tara-masoandro, miposaka iry, no nanazava ny lalako.
Dia ‘lay volana zandriny, no zary lasa, tena isan’ny akamako.

Iry tara-masoandro, tinazan’ny maso, milentika hariva,
dimbiasan’ny volana, mamangy ny efitro, toa iva dia iva,
no tsiahy an’i Neny, ‘lay hany tsy foiko, fa Reny malalako.
Ianao, no ‘lay nanoritra, ny fiandohan’ny tantarako!

Ianao ihany koa, ‘zay ivon’ny tsikiko, r’ilay tara-masoandro,
no solon’i Neny, nosintonin’ny fasana, k’indrisy tsy anilako!
Ianao mantsy no eto, tsy ilavitra ahy ka, tinazako isan’andro.
Inoako ihany koa, fa ianao ry Neny, manaiky azy ho silako!
RRAG
15 Aogositra 2014
--------
Lien:
325 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222