ISIKA MIANAKAVY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISIKA MIANAKAVY…
I Dada miramirana,
toa faly sy sahirana!
Mahita antsika zanany,
mameno ny hasambarany!

I Neny falifaly,
na dia mahare mijaly!
Anaty fihafiana,
sy tokantrano tiana!

I Hery lasa nianatra,
niaraka amin’i Haja!
Izaho sy i Antsa,
nanao kibasy am-bava!

Isika mianakavy,
miadana, finaritra!
Tsy misy raviravy,
an-tokantrano miavaka!

Isika mianakavy,
no taratry ny anio!
Fanilon’ny hoavy,
fandrava tadio!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Lien:
337 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235