IZAY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY…
Tiako ianao, fa tsy mba nierika,
nefa aho, na dify aza ianao, dia satriko ny hierika,
hitazana anao, ‘lay mijery ahy!
Tiako ianao, ka babonao tanteraka, ny atin’ny fanahy.

Izay angamba ilay, safidy tsy tanteraka,
na ihany koa anjara, anjara tsy ho teraka.
Lahatra tsy hisy, tendritendrim-bintana,
toy ny alina mangina, tsy ahitàna kintana.

Izay angamba, ‘lay tia fa toa tsy tiana,
mizaka samirery, ny zogam-pijaliana.
Ny andro saron’ny haizina, ny alina feno fitaka.
Ny fo ‘lay tia indray, no re mangitakitaka!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
283 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241