IZAY NO FIAINANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY NO FIAINANA…
Nolalovantsika ny tsisy sy nirina,
ary teo ny aina ka tonga teto an-tany.
Asa io angamba ‘lay andro fiaviana,
tsarovana isan-taona, tsy hadino hatrany!

Teny an-trotroina no nanomboka nibada,
nihiaka nitomany tsy hay ‘zay raha ilaina.
Taona vitsy monja, dia ‘njao niantso Dada,
efa fetsifetsy sy mampiasa saina.

Nianatra namindra dia nihazakaza-dava,
efa tojo teny, ny fiainana hodiavina!
Rehefa injay nianjera dia ranomaso lava,
ka i Dada na i Neny, no hany notadiavina.

Sekoly no sakaiza fa efa tojo taona!
Nidongy tsy hianatra rehefa kamokamo!
Tsy mbola tsapa teny, ny lanjan’ity fotoana,
fa dia ny nahafinaritra, dia ny tany an-trano!

Taona maromaro, tanora kay ‘ty tena!
nitsiritsiry teny, fitiavana tam-po!
Ho tojo sipa manja, no tena nokendrena,
kinanjo kay ireny, no tena mpandràtra fo!

Matotra ihany, vao sendra tokan-trano!
Ny miasa no ivoahana dia mody ny hariva!
Vao taratara kely dia mety hahita angano!
Teo dia efa tsy afaka, ny hirevy sy ny hiliba!

Rehefa antitra iny dia tsy afaka hiverina,
fa fotsiny mahatsiaro ny lasa mitamberina.
Dia, mandrotsaka tomany no hany azo atao!
Ka rehefa izany, homano, ny fahanteranao!

Nitombo indray ny taona, niahy reraka ny tena!
An-trano sisa miandry, fotoana hialana an-tany!
Ny havan-tiana sisa, no indrao mahonena,
fa ianao, tsy mahalala intsony izany!

An-drangolahy no sisa, handrian’ny nofo,
tsisy aina sy tsy velona, tsy mahatsapa irery!
Fa ny fanahy kosa, angamba efa miroso,
manatom-baravarana, iambenan-dreo anjely!
RRAG
25 Jolay 2021
--------
Rohy:
295 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0471