KAJIKAJY FOTSINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KAJIKAJY FOTSINY...
Matematika tsy hay isainana,
ny laha-boatendrin'ny kintana ambony.
Kajy an-kandrin'ny onjam-piainana,
ny fisaonana lava tsy mba mampitony.

Gina ny tany, misaona ny fo,
latsa-tomany ny tena fa ory.
Misento ny anaty, saingy vaky ny loha,
fa ity fahoriana tsy ahitana tory...

Lavon'ny sangin'ny setram-piainana,
ny saina tsy tonin'ny fahafatesana....
Mangirifirin'ny fanaintainana,
ka injao migogo tsy hifandrenesana...

Nazeran'ny aina an-dava-manototra,
ny nofo noheverina ho hery hampitroatra!
Nosavasavaina ny tena fototra,
nirin-kateza ka ninday any ankoatra!

Mandria dia miadàna any an-dalan-kombana,
aza manahy fa ny ady eto hitohy...
Omen-dalana ary irin-tsy halama,
antenaina ho lava fa tsy ho fohy....
RRAG
28 MARTSA 2021
--------
Rohy:
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241