LAFAZA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAFAZA…
Teny izao ny ankizy no naka sy nioty,
sira handrahoana, laoka anio hariva!
Teny irony lisy no niangotingoty,
nananika ny taho, avo sy ny iva!

Teny ny lalao, no re naresadresaka,
nisian’ny ankiafina, nataon’ireo kilonga.
Teny irony vorona, no injay nipetrapetraka,
namahana ‘reo zanany, ‘zay zary dongadonga!

Ny lafazanay dia hazo iray miavaka,
manaingo ny tanàna, mitondra alokaloka!
Ny voniny amin’izany, no injay mandravaka,
rehefa izy indrindra, hita ho vasobasoka!

Ny lafaza tsy hoe tsy akory, voary mahagaga,
fa hazo toy ny hazo, manana ny soany!
Afaka mameno, ny foana sy ny banga,
ny faka sy ny rantsany, mitondra irony vony!
RRAG
03 Janoary 2003

Dikan-teny: Lafaza = Zava-maniry (Hazo fakàna sirahazo).
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206