LALANA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALANA…
Raha tsaroanao, iny lalana iny,
‘lay lalan-dranomaso, namoizako anao.
Mbola iny lalana iny, nefa ankehitriny,
no mitondra ity ankaso, hanatonako anao.

Izy iny no nisafo, nampihanta anao toy izao.
Izy iny koa no afo, nandoro ny ahy sy anao.
Iny lalana iny, no mbola miezaka mandrafitra.
Iny lalana iny, no mikiry indray mandrakotra,
ilay lasa norobainy, teo anoloan’ny safidy.
Iny lalana iny, ilay mifidifidy,
manavakava-bolon-koditra, manavakavaka saranga.
Iny lalana iny, ilay lala-nahajamba.

Asa raha tadidinao, ny teninao foiny ny nandao,
teo amin’iny lalana iny.
Asa raha ho zakanao, ny tody azerany amin’izao.
Io ‘lay tsinin’ny fahiny.
‘Lay valin’ny natao, izay tsy maintsy honerana,
mialoha-pahafatesana, mialoha-pahanterana.
Saingy indrisy tsy nianjera, tamin’iny lalana iny,
ny vidin-dranomasoko, nazeram-po tsy manan-tsiny.
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Lien:
394 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221