LASA AIZA I NENY? (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA AIZA I NENY?
Dada! Fa lasa aiza i Neny, fa tsy hitako mihitsy?
Sa kosa re, lasa any amin-dry Lisy?
Lasa nanatitra ‘lay gisabe, ho an’i Kakibe, hohaniny amin’ny fety.
Sa lasa eny amin-dry Dadatoa, sy ry Nenitoa ery Besarety?

Lasa aiza hoy aho i Neny, toa tsy tazantazako?
Angamba kosa izy, nividy izay ho anjarako,
anjara kilalao, ho ahy amin’izato fety.
Sa lasa nijery, izay laoka metimety?

Hatramin’ny maraina, no tsy tinazantazako,
tsy reko nihirahira, toy ny fanaony.
Na koa mba nanokatra, ny hidim-baravarako,
sy hoe namafa trano, tokony hataony.

Fa lasa aiza i Neny e? Izaho malahelo vao tsy mahita azy.
Dada hoy aho, eo mba lazao, fa aza atao vazivazy.
Te hahita azy aho, te hamihina azy, te mba ho eny an-tratrany.
Te mba hiantoraka, hiondanondana eny, fa manina ny safony.
RRAG
19 Desambra 2014
--------
Lien:
397 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221