LASA IANAO..! (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA IANAO..!Indray taona toy izao, sahalahala volon'andro,
no nahitako anao, mitovy ora-pamataranandro,
tamin'ilay roa taona, 'zay roa taona efa dify, ka nifandaozantsika.
Ilay ririnina, ianao tanaty akanjo izay nanify, tsapako fa tena nangatsiaka,
sady mbola sendra orana, orambe nivatravatra,
ianao ilay nofihiniko, nofihiniko mafy teny an-tratra!
Ankehitriny hono nofy, tsindron-defona mandràtra,
ilay fofonao nitosy, tsy mba tia nihafahafa,
'reo orokao 'zay tena mamy, natolotrao ireto molotro,
saingy anio toa fasan-tany, no nataonao ho soloko.
Nandaozanao ny akany, namelànao ahy irery,
tao anatin'ny tomany, tsy hisy intsony izay mpijery!
Lasa ianao! Nalavon-dahatra nangina, nofinganiny mihitsy.
Tsy eo ianao! Ianao 'lay olon-tiana, sendra tendry tsy nitsitsy.
Zary kapoka nandràtra, ny atim-poko mbola tia!
Sedra mafy tsy nahazatra, 'ty nalavirin'ny fitia!
Saingy ny foko mbola tia, nefa inona no ataoko?
Raha ho any am-pasana ny dia, toa lalana, mbola tsy haiko!
Lasa ianao! Nalavon-tendry sy ny anjara, toa tinery fa tsy satry.
Lavo ianao! Ilay tokana malala, novoadiana mandramaty.
Dia ny fasana no akany, natakalonao ny foko!
Na izany, indro teny mamy, ianao dia tsy foiko!
Satriko dia satriko, izany anilanao hatrany,
kinanjo ry tiako! Izay ny anao ny eto an-tany!
RRAG
02 Aprily 2017
--------
Lien: