‘LAY ALIM-PAHANGINAKO… (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY ALIM-PAHANGINAKO…Nosedraiko izaho irery,
na dia tomefy hirifiry,
ilay alim-pahanginako.
Nosoritiko tan-tery,
ilay laha-tsy nitsiry,
tanaty alim-pahanginako.
Nofaritako nialoha,
nosoritin’ny fo,
ho azy irery ihany,
ianao nefa indrisy!
Fa nozarainy tamin’ny tany,
dia fitiavana manify,
no sisa anjarany,
dian’ny tantarany,
raha vao lavo ianao!
‘Lay alim-pahanginako,
no tsy maintsy hifihinako,
na dia mafy sy mangidy,
mety handràtra ny tadidy,
ny nalavoanao.
‘Lay alim-pahanginako,
nanimbam-binavinako,
no hany tokana tavela,
rakitry ny ela,
raha vao nandao ianao.
RRAG
Jolay 2012
--------
Lien: