‘LAY FEON’I NENY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY FEON’I NENY…
Injany miritsoka, manohana aina,
mihazona fo, fo saika hisento.
Injany mandositra, ilavitra ahy ny taraina,
mahare an’i Neny, mahare izato vetso.
Injany ny rivotra, misioka milanto,
mamelombelom-bolo, ny fanantenana.
Ny feon’i Neny, meva sady kanto,
tsy hohadinoina, fa mitondra hafanana!

Izay indray ‘lay sioka, siokan’itsy voron’ny ala.
Toa mozika miavaka, tsy manan-tsahala,
manaraka mora, ‘lay feon’i Neny.
Hatreto angamba, tsy misy toy ireny!

Injay fa misafo, ny ivon’ny foko,
ny kalo manako, an’efitr’i Neny.
Io ‘lay tononkira, hany tsy foiko,
hatsiarovako hatrany, ny hoe: “Hafa i Neny”.

Izany henoy, fa re mbola manako,
manakatra ny avo, ho ren’ny vodilanitra.
Injany aza misy, mamaly ity lamako,
fa mipaika amin’ny fo, ny hakanton’ilay antsa.
RRAG
10 Desambra 2014
--------
Lien:
301 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219