LEO NY MANGINA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEO NY MANGINA…
Leo ny mangina ny foko maràtra,
leo ny mangina na dia efa mahazatra!
Leo ny mangina tsy mba miteny,
leo ny mangina leo miady irery!

Ka na ho enjehina, na hofonjaina,
ny foko hiteny, na tsy hokaramaina.
Fa leo ny mangina, mitazana fotsiny,
leo ny mitanty, izay ho fihontsony,
raha toa mahita, ity fireneko,
ravan’ny hafa, dia velon-tsento.

Leo ny mangina ny fo manantena,
leo ny mangina ny iray firenena.
Leo ny mihaino vava tsy ambina,
leo ny mamaritra, mamaritra tanjona,
raha toa ka mbola, ho nofy ihany,
dia tsy hangina intsony aho, raha tsy tototra tany.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Lien:
373 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242