LEVONA (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEVONA
Raha mbola hisy fo,
hisento sy hitomany,
ka hisy hazavana,
saronan-javona matevina!
Dia ataovy an-tsaina,
fa tsy mifarana izany,
raha tsy ny tany,
mihitsy izao no levona!

Raha mbola hisy fo,
haràtra ka hamery,
na mbola hisy kintana,
hisingana irery!
Na hisy koa fitaka,
handrakotra ‘reo teny,
dia ataovy an-tsaina,
fa hivadika tomany!
Hiova ho tomany,
izany fery izany!

Aleo mba ho levona,
na aleo ho faty!
Aleo ny monomonona,
hiala ao anaty!
Fa ‘ndrao io indray,
no ampinga mety hahafaty!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Lien:
253 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334