“LOVE”-BE NY FO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“LOVE”-BE NY FO…
Lavitra ny dingana, fa maro no efa vita,
tsy vitsy koa ny fingana, fa modiana tsy hita.
Tsy maty kosa anefa, ireo raozy ‘zay nitondra soa,
tsapa niantefa, satria, “love”-be ny fo!

Maro ny honahona, tsy vitsy ny handringana,
ny fo efa misaona aza, toa mbola hisy hamingana.
Tsy mitanondrika eny anefa, fa miezaka mitony,
tsy miahotra milefa, ‘zay sedra vao mamony.

Ny fo rehefa tia, tsy hita hosakanana,
mamy sy fỳ, izay tsy eny am-pelatanana.
Ka ahoana kosa, ny fo no tsy hiara-droa?
Terena hanala trosa, trosany taloha,
satria tokoa e! “Love”-be ny fo!
RRAG
11 Aogositra 2005
--------
Lien:
385 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225