MAMENDROFENDRO FOTSINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMENDROFENDRO FOTSINY...
Tinapaka eto izany ny tady hifamatorana,
sa mbola misy hatohy ny kinaiki-boalavo?
Aiza kosa ve vao, aty am-panombohana,
dia mibaby trosa, resy ka nalavo?

Nikaro-pandresena sa nikiry hamotipotika,
no dia minitra farany, no hanolo akoho mpiady?
Paika avy aiza ilay, minia mandrotirotika,
drafi-mati-paikan'iretsy vonon-kiady?

Hisandratra ho aiza anefa raha iny tsy voadingana,
ka hanantena foana, lefa-po faharoa?
Nefa raha ny paika, moa tsy fandrika enti-mamingana,
handefena saina, sy handràtrana fo?

Mamendrofendro fotsiny, manao kisarin'ady,
fa angamba efa nivonona, hamotika ny efa!
Dia ny minitra mihodina, 'zay ora iray sahady,
mibaby hatsasan-kadiny, fotoana voafetra.
Sinaingy tsy voafehy, ny zotran-kilalao!
Resy lava, resy foana! Efa ho hankalao!
RRAG
03 Septambra 2021
"Sendra nanidina tao aorian’ilay lalao voalohan’ny fifanitsanana –Mondial- natrehan’ny ekipam-pirenena Malagasy fa aza itarina ho resabe".
--------
Rohy:
244 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.129