MANALOKALOKA...! (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANALOKALOKA...!Nihatakataka ahy, ireo havana rehetra!
Nanositosika ahy, tamin-kery tsisy fetra!
Ny hany tonga tato an-tsaiko, dia ‘lay Ray tsy manadino!
Ny Reny nipoirako aza, nanilika ahy toa tsy nampino!
Moa izy teto tsy nanaiky, fa tsy meloka aho kanefa,
mbola nofonjainy ihany, mbola narahan-tsetrasetra?
Tsy nohenoina teny akory, nolazaina fa mpandainga!
Ny sasany aza nihogahoga, f’izaho no namadika ny bainga;
Dia namafy vony ratsy, ka nioty ny navoly!
Nisotasota ahy daholo, na anjely na devoly!
Fa ny tsy tsapan’izy ireo! Dia tsy lavony aho akory,
fa mbola nanana mpiaro, izay ‘lay Ray tsy nahafoy!
Ny Tany izao efa nanary, sy nanilikilika ahy,
sahiny mihitsy no nitsara, ny hoe haratsiam-panahy!
Io nefa izao ‘lay Reny tiako, nantenaiko tsy hisoketa!
Tany nipoirako ihany, saingy Reny tsy nitsetra!
Ny Lanitra ‘zay Raiko, nampangina ny eritreritro,
nanampy ahy tanaty ady, nampitony ny fisentoko!
Tsy mba nahafoy ahy, na segaondra iray akory!
Fa ‘lay Reny fitarainako, indrisy f’efa resi-tory!
Manalokaloka ahy, ny tebitebiko isan’andro.
Saingy ‘lay Raiko tia indrindra, nitondra taratra masoandro!
Tsy nisaraka ny diako, tsy niala tamin’ny lalako!
Nefa ‘lay Reny nanefena ahy, tsy tia angaha? Toa tsy fantatro!
RRAG
13 Nôvambra 2019
--------
Lien: