MANGIDY KANEFA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGIDY KANEFA…
Kapoka firy no efa natonta,
no mbola dodaina ‘reo vesatra hafa?
Efa hafiriana aho no hoe boka trosa,
ka tinerena handoa ‘rony lasa?

Angamba kosa aho nanangam-pahavalo,
ka hoe soketaina tsy hasiana hasiny.
Nahoana anefa ny hafa no mivalo,
dia izaho no lazaina fototry ny ratsiny?

Ny fankahalana ahy efa tsy holazaina,
fa sao mantsy hampihombo ny fery efa maina.
Ny lasa ihany koa tsy hotantaraina,
sao koa hampitroatra ity sombin’ny aina.

Mafy tokoa ny misedra fiainana,
kanefa izany ny fiainana an-tany.
Mangidy kanefa tsy maintsy iainana,
ka matetika loatra no misy tomany.

Mangidy kanefa tsy afaka hofafàna,
ny fery mandrakotra ny lasa sedraina!
Ny ràtra koa moa dia diso tamàna,
masoandro avy aiza no mbola hantenaina?
RRAG
Desambra 2018
--------
Rohy:
317 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021