MIEZAKA AHO (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIEZAKA AHO
Niezaka aho no nanontany,
fa tsy nahazo izay mba valiny!
Niezaka aho ny nitomany,
fa tsy nahita izay maminy!

Nefa ny aiko dia efa sasatra,
niandry anao ny hiverina.
Renoky ny torimaso,
sy ‘reo lasa nitamberina.

Miezaka aho ny mamoy,
ireo lasa izay niarahana.
Fa misy ora fohy dia fohy,
tsy foiko akory ny hofaranana!

Miezaka aho ny manadino,
ireo zava-bitantsika.
Nefa ange dia tsy mampino,
fa toa vao mainka voatanisa!

Ny aiko izao efa sasatra,
toy ny efa any an-davaka!
Ny diako ity toa tsy mitsahatra!
Ny lalako aza tsy misasaka!

Miezaka aho ny tsy mahatsiaro,
ireo dinga-nolalovantsika!
Miezaka aho ny tsy hanafangaro,
‘reo sedra nitolomantsika!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Lien:
396 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227