MISAOTRA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAOTRA… (SAFIDY: 2012)
Mankasitraka anao, misaotra ihany koa,
tamin’izay natao, ka vokatry ny fo.
Ny lanitra io hamaly, ka hanolo-boninkazo,
amin’ny felany miavaka, tsy mety malazo.

Mankasitraka, misaotra anao mialoha,
amin’izay tosika, tsy maintsy hatorakao.
Fa iny sombin’ny aiko, mba tiako hanan-tsoa,
eo mba raiso-tanana, fa aza ahilikao.

Tiako hatamberina, ho ren’ny sofinao!
Satriko hankarenina, mba ho tadidinao,
ilay fisaorako iny, saotra voka-po!
Iriko ianao tafita, hilanja valisoa.

Fa raha ny sombin’ny aiko, dia efa nivoady,
fa hoe raha mbola ianao, dia hivoha-vavahady,
na dia misasak’alina, an’oram-be mikija.
Satria ianao anio, ‘lay tsy foiny indrindra.

Ka mbola haveriko eto, fisaorako anao.
Averiko isan’andro, na dia hankalao.
Satria hinoan’ny foko, fa mila izany ianao,
mba ho herin-tsaina, afaka entinao
miady amin’izato fiainana,
tomefim-pitaraina!
RRAG
26 Nôvambra 2012
--------
Lien:
385 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221