MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAVALO) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA FAHAVALO)
Sahondra…! Any ivohonao matetika, misy marina miafina.
Misy rariny mimpirina, anaty efitra voahasina.
Misy feo mitroatra mafy, re mitaky fahafahana.
Ny vohi-pahanginanao, no hany tontolom-pahalalahana.

Lisy…! Haingokaingon-jaridaina, mandravak’endriky ny saha.
Mitondra hanitra mampitony, mba tsy hitroaran’ny fanahy.
Mizarazara tsirim-pitia, ho fatoram-pihavanana,
Mampiray mpifahavalo, ny mahantra sy mpanana.

Diary…! Ilay tahirim-pahatsiarovana, noraketina ho tsiaro.
Nanoritsoritra ‘reo dingana, nisy ràtra maromaro.
Nametrapetraka ireo tsiahy, soa sy mamy tsy hadinoina.
Tahirim-po izay mifangaro, lelan’afo tsy hay vonoina.

Ritsoka…! Feo malefaka misafo, aty fanahy sy aty fo.
Angolangola izay mamikitra, nanefy fitiavan’olon-droa.
Mety koa voa ratsy, hanakorontanana ny lamim-bita.
Saingy ny hoavy no mametra, tonga izany izay vao ho hita.

Salohy…! Ilay maneho fiovàna, eny an-tendron-kazo maro.
Mety fery, mety ho ràtra, na soa maro mifangaro.
Saingy tokana ny hevitra, dia ny fahafahany mivoatra.
Toy izany koa ny fo, rehefa mikiry ka mitroatra.

Vatosoa…! Harena sarobidin’ny aina, rafi-bato maro tovana.
Fifaliana an’endri-kanto, miady amin’ny fo torovana.
Mitsabo mora ny fanahy, nanarom-pery irony ràtra.
Lovasoa avy any anaty, noho ny tanjona ‘zay tratra.

Navalona…! Ilay famaranana ny fetra, ilay manafina ny tsiahy.
Ilay mangina tsy miteny, mba hitonian’ny fanahy.
Ilay nikaro-panafody, hanasitranana ny anaty.
Saingy koa mety ho mosavy, hampandry anao am-batapaty.
RRAG
03 Mey 2018
--------
Lien:
351 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.059