MITANISA ANARANA…! (FIZARANA VOALOHANY) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITANISA ANARANA…! (FIZARANA VOALOHANY)
Aina…! ‘Lay felana nitsiry, noho ny fitiavana,
midoroboka ohatr’izany, rakofa-maitso mavana.
Maneho fahagagana, tsy takatry ny saina,
saingy fiantombohan’ny, akanin’ny taraina.

Santatra…! Fiantombohan-dingana, tiana hotratrarina.
Fahasahi-manova, sy miezaka manarina,
ny lasa izay navalona, saingy mety hitamberina.
Fiatrehana ny hoavy, ilavitry ny nenina!

Andry…! Ilay faharetam-po, tsy hananàn’ny tsy tia.
Ilay fandeferana, tomefy aingam-pitia,
mitsiry am-po mangoraka, ny voadonan’ny fitiavana.
Teboka hiantombohan’ny, fatoram-pihavanana!

Tsiky…! ‘Lay hany tara-kely, milaza zava-maro.
Tsy tinerena ho haravoana, fa mifangaroharo.
Mety ho fifaliana, tsy tian’ny tena ho aboraka.
Na koa hoe fahoriana, tsy ilàna fo mangoraka.

Nofy…! Tontolo hafakely, tomefy izay ilaina.
Noheverina ho kianja, fampitonian-tsaina,
kinanjo zary vesatra, fitamberenan-dasa.
Fifamatoram-peratry ny, tontolo samihafa!

Toky…! Teny hifanambaran’ny fo roa mifankatia.
Tsy voatinery ho marina, na fihatsarambelatsihy.
Saingy mihazon-dina, ‘zay lasa velirano,
fototry ny vina, niorenan-tokantrano!

Sitraka…! Fisaoram-po madio, vokatry ny efa.
Vonim-pankasitrahana, natokana hiantefa,
amin’izay nahavita, ka tsy nitaky tambiny.
Fa tsy ho an’ireo izay, nanome ambinambiny…
RRAG
16 Aprily 2018
--------
Lien:
425 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228