MITOVY IHANY ISIKA...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITOVY IHANY ISIKA...!
Ekeko fa hoe mavesatra mihitsy,
ny fatoràna nataon'ny setrasetram-pianana.
Ny kapoka mafy zary tsy ankitsitsy,
ka nahatonga 'zao andron'ny fanaintainana!

Tsy misy tsy diso raha miaina eto an-tany,
fatoràna iraisana io amin'ny mahaolombelona.
Aiza moa no hisy fiainana tsy hisy tomany?
Nefa afaka miova dia ny mbola fahavelona!

Mitovy isika tena sahala,
samy voafonjan'ny sedram-piainana.
Diso nefa aho raha mody tsy hahalala,
fa ny anao no maràtra hatramin'ny fisainana!

Mihevitra ho very tsy manana mpiahy!
Mihevitra osa tsy misy mpijery!
Ka ny hanova famindra toa tsy ho sahy,
matahotra ihany ny hiady irery!

Izaho sy ianao mitovy ihany anefa,
ka moa tsy hifanampy hifanohana aza?
Ka ny mahazo anao amiko no miantefa,
dia ho haverintsika 'lay fihavanana fahazaza!
RRAG
22 Mey 2017
--------
Lien:
476 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231