MITSAMBIKY MIKIMPY. (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITSAMBIKY MIKIMPY.
Nijabaka ry Neny, ny fo vao nitia,
ny jinery ivelany, no niantsampazana.
Kinanjo tsy hita, raha tsy niara-dia,
fa ny fitiavana, dia mbola ady mazana.

Nitsambiky nikimpy, fa sendra hatsaràna.
Toa endrika lisy, ny an’izato Rakala!
Nahazo teny mamy, dia niseho ho tamana.
Ay ‘ty anjely, toa efa Ramama!

Efa madama, niteraka efatra.
Ny tanany aloha, mbola tsisy peratra.
Izy koa moa, kara demôzely.
Sipa Ramama aloha e! Fa tsy makorely.

Mbola zandriko mihitsy, ny endrik’izy ‘zay.
Izay koa angamba, no nampijoboka ahy,
fa sendra ny afo aho, tonga dia may.
Eo hakao pasitera, hanadiovam-panahy!
RRAG
21 Desambra 2012
--------
Lien:
328 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031