NA MISY MANENJIKA AZA AHO! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA MISY MANENJIKA AZA AHO!
Fantatro fa, tsisy antenaiko, raha mbola eto an-tany.
Ekeko hoe, ireo fery zakaiko, dia fakan'ny omaly.
Rantsan-tsy tapaka, mamatotra ahy, ho sakan'ny ampitso.
Raha ny fiheverako, hanam-pahafahana, dia toa hevi-diso!

Na dia enjehina aza aho, manam-piahy, tsy miady irery.
Ny omaliko, ny anio, ny ampitso, tsisy ahiahy, fa misy mpijery.
Tsy ny vola an-tanako, na 'reo harena, singa tsy hananako, no hanavotra ahy.
Tsy ny akanjo an-koditro, na ny firenena, izay itoerako, no mety hanova ny fanahy.
Fa ny finoako, ny fanantenako 'lay fahasambarana, izay tsy eto an-tany.
Nolohofam-pandeferako, tam-panenjehan'ahy, 'zay zary lasa akany!
RRAG
19 Febroary 2016
--------
Lien:
315 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224