NAMBININ-TSOA SA FANAPERAN-TSOA? (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMBININ-TSOA SA FANAPERAN-TSOA?
Na tsy hiteny, hisaotra ny lanitra, ny vavan’ny kamboty.
Na tsy hitraka, hiandrandra ny avo, ireo nahavita toky.
Na koa tsy hidera, ny soa ‘zay natao, ireo ‘zay nampiana.
Dia mbola misy any, manantena, fa manam-paniriana.
Ny hilohalika eo, eo anatrehan’ny lanitra, lanitra ambony.
Satria be fitiavana, mahatsapa ny soa, ny ao anaty fony.

Na tsy hitsongolongoloka, anatrehan’ny tany, ireo ‘zay nositranina.
Na tsy hanaja akory, ny tian’izato fony, ireo lavitr’olo-manina.
Dia mbola hisy, tsy maintsy hisy fo hahatsapa, fa mila an’ilay tiany.
Tokoa moa, nambinin-tsoa, tsy hoe fanaperan’ny zavatra iriny.

Raha misy fitiavana, tadiavana takalony, dia tsy maintsy hafoy.
Na koa amin’irony, karazana fangarony, tsy afaka ny hatohy.
Satria sarotsarotra, ny manamba-tady, hampiraisam-po.
Dia tsy nambinina, no ‘ndeha atao anarany, fa fanaperan-tsoa.

Na dia misy bangabanga, tsapa fa tsy ampy, na mila fanapenana.
Anaty fo malahelo lava, vonton’ny tomany, tsy manana hitombenana.
Dia mbola hisy taratra, hanazava ny aloky ny haizina, nentin’ny taona.
Ka ‘zay ‘lay fanambinana, fa tsy fanaperan-tsoa, entina hampisaona.

Raha misy indray fijery, hita fa mangarika, anaty fiavonana.
Na koa misy fo, sendra mahatsikaritra, hoe tojo fanakonana.
Noho ny tsy ampy, saingy tsy lefitra, ny miaina izany.
Dia ho fanaperana, no indro atao anarany, satria ninday tomany.

Na hisy aza maso, tsy hahiratra akory, nefa dia manantena!
Na hisy fitafiana, tsy an-koditra intsony satria, ninia notinerena,
ho fananan’ny hafa, ‘zay tia manjakazaka, fa hoe ety ny taniny.
Dia ho hambinin-tsoa ianao, hahita ny tsara, anatin’ny maminy.
RRAG
12 Janoary 2013
--------
Lien:
221 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246