NENY. (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY.
Ny foko ry Neny, mitroatra izany,
mangina anefa, toa re mitomany.
Ny foko ry Neny, malahelo ny omaly,
‘lay fahazazana, nahafalifaly.

Ankehitriny, toy ny nofiko ireny,
fa lasa ianao, ianao ry Neny.
Lasa nandao, tsy nahandry ny ampitso,
nandositra akany, mitafo fanitso.

Ankehitriny ny ady, toa ahy irery,
tsy misy anao, anao ilay Reny,
mpanoro ny diako, mpibedy ahy.
Tsaroako ireny, fa aza manahy!

Ry Neny tsy foiko, ‘reo sary tahiry,
hanorato boky, mba tsy hijanona hitsiry,
amin’ireo zafinao, ny fanantenana.
Eny fa na dia, ilavitra anao, ka tsy hisy hafanana.
RRAG
25 Jona 2014
--------
Lien:
431 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223