NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY Ô! SENDRA NY TIAKO AHO IZAO…
Mientana mafy ny foko ry Neny, toa mitepo fitia.
Sendra nanopy ‘lay maso nijery, dia ilay tena tia.
Sady mba tiako a! Ny tsikin’ny tavany e! Toa volamena.
Endrika kanto, hihaingoan-tsafira, tena harena.

Neny ô! Vao nitopy ny masoko dia, sendra ny tiako aho izao.
Faly dia faly, hiboka hafaliana, tsy mety miato, ity zanakao.
Sendra fitia tsy tinefin-tanimanga, ary tsy mba sarisariny.
Nefa aleo ny fiainan-koavy, no hilaza izay aminy.

Fa tiako dia tiako iny raozy iny, toa tsy manan-tsahala.
Ka izay ry Neny, no nahatonga ahy, hiantso azy malala.
Hizaràko ny fiainako, amin’ny andro tontoloko.
Neny ô! Ny fitiavako azy, toa tsy miala eo imolotro!
RRAG
05 Septambra 2015
--------
Lien:
479 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219