NIANATRA NANISA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIANATRA NANISA…!
Neny ô! Tany am-pianarana,‘zahay nianatra nanisa.
Nalefa am-pilaharana, naraham-bisavisa.
Niantomboka amin’ny aotra, mbola tsy ary isika.
Ny iray nanararaotra, fa tokana no vita!

Ny roa mihambohambo, fa hoe nahavita zavatra.
Ny telo mihaza lambo, ireo mpandatsa-baratra.
Ny efatra manafatra, ny ankizy hamita lesona.
Ny dimy tsy tonga lafatra, sady toa mampiesona.

Ny enina ry Neny! Maditra tsy hay tenenina.
Ny fito kosa ireny, no manitsy ny tsipelina.
Ny valo ilay mpananika, tanàna tsy ankiato.
Ny sivy tsy asa marika, fa fara isa kanto!

Mitambatra ny iray, sy ny isa aotra.
Folo izy izay, fa ‘ndrao manararaotra.
Raha sivy sy ny sivy, sivy amby sivifolo.
Aza mora kivy, fa mitrakà daholo!

Ny volana hono kay, miisa roa ambin’ny folo.
Izahay mahay, raha misy mpikolokolo,
misy mpanabe, mampianatra ny tsara.
Fa raha ‘lay ramose, dia bebe ambara!

Izany izahay, mba mitantara angano.
I Ramosenay, no injay manganohano.
Ohatry ny hitomany, fa malahelo hono izy.
Dia nofafany izany, fa menatry ny ankizy.
RRAG
13 Septambra 2012
--------
Lien:
288 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022