NITIA FA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITIA FA...
Nahoana ianao ry fo, no mitia izay tsy tia?
Nahoana ihany koa, no mikiry hiara-dia,
amin'olona nandrava, ny vinavinanao?
Fa rahoviana ianao e? Rahoviana vao ho lao?

Nahoana ny anjara, no tsy nanaiky ho namana?
Nahoana ianao 'lay lahatra, no hoe nanasa tanana,
nefa anie mba tia, tena tia loatra izy?
Nahoana lahy ry vintana, izato ianao dia nahakivy?

Nitia izy anefa toa nosakanan-tendry, tsy hanana safidy.
Nitia izy fa nofinganinao, nataonao toy ny biby.
Tsy hanan-jo hiteny, tsy hanana fahafahana!
Nahoana ny fitiavany, no tsy ho fahasambarana?

Nitia fa toa ringan'ny setrasetran-dahatra!
Nitia fa nosakanan-tendry, tanaty oram-baratra!
Nitia fa saingy, toa diso safidy niantefana!
Nitia fa efa toa voalahatra, hiaina am-pahajambana!
RRAG
24 Febroary 2018
--------
Lien:
302 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0298