NITIA MANGINA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITIA MANGINA…
Niezaka aho nitana ireny, tao am-poko diso tia.
Niezaka aho ny tsy niteny, nanambara ny fitia.
Niezaka aho ny tsy nandingana, ny vavahadin’ny fonao.
Tsy mety lany ho tamingana, ny fitia anatiko ao.

Tsy mety levona na dia, notinereko novonoina.
Tsy mety foana ilay fitia, izay iriko hosoloina.
Tsy mety miala ao an-tsaiko, ‘lay tsikinao nambabo ahy.
Resinao hatramin’ny aiko, lavonao ny fanahy.

Nitia mangina anao, ny foko kely be fihanta.
Ka tsy ho tsapanao, tsy ho fantatrao ny dikan’ny antsa,
novetsoiko omaly, teo am-bavahadinao,
hoe: “Ny foko ity mijaly, tena mila anao”.

Nitia mangina anao, tao an’efitry ny foko.
Nitia mangina aho, nitia anao ilay tsy foiko.
Nitia mangina saingy tsy hita, tsy tinazanao akory.
Toy ny rano tsy mba ritra, fa manonja tsy mba tony.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
385 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229