NOELY TOY IZAO…! (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY TOY IZAO…!Ry zanako tiako, indray noely toy izao,
no nifankahita, izaho sy ny Reninao.
Nifankatia dia, nifanao voady,
tamin’izany ‘zahay, mbola tsy mpivady.
Teo mantsy anaka, no nanomboka nitsiry,
ilay raozim-pitia, izay maro mpaniry.
Teo no niantomboka, ny tantaranay,
ny irina dia! Ny ho mandrakizay.
Mbola noely toy izao, ry sombin’ny aiko,
no nanolorako peratra, ity ‘lay nolalaiko.
Ho alaiko andefomandry, vady malala,
Reninao koa moa, tsy nisalasala.
Anaka, raha toa ka tsaroanao,
fa noely toy izao, no nahaterahanao.
Ianao ‘lay fanilo, nanazava anay,
hafa ihany izany, noely aminay!
RRAG
25 Desambra 2012
--------
Lien: