NOTERENA IANAO. (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOTERENA IANAO.
Ekeny hoe: “Noterena ianao iny,
saingy nanadino azy tanteraka,
tsy nahalala ny fisiany,
namela azy hilanja vesatra”.

Ekeny hoe: “Niavona izy,
raha nandà ilay fitiavana!
Meloka izy,
niziriziry tam-pandàvana,
ny fangatahanao fahiny,
ny mba hifamatotra aminy!
Ankehitriny izy mpivahiny,
fa tsy mba manana ny akaniny”.

Satria voatery ianao,
voatery ianao nifindra lasy,
nitady fo iray vaovao,
mba hamafa irony tasy.
Navelan’ny fandàvany,
ny tolo-po avy aminao.
Lasa ferin’ny fitiavany,
tsy mety maty am-ponao ao.

Ekeny hoe: “Diso izy,
saingy tsy afaka mitroatra.
Ianao koa kivy,
miandry teny mba hivoatra.
Ny omaly ihany anefa,
no nitamberina anio.
Naleonao nilefa,
‘ty fitiavany tadio”.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
285 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242