NOVETAVETAIKO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOVETAVETAIKO…
Novetavetaiko tsy nomeko lanjany,
ny hasinao, ry fireneko.
Novetavetaiko hatramin’ny akanjony,
dia ilay sainanao, foto-pandreseko.

Izay nohitsakitsahiko, tsy nasiako hasina,
niaraka tamin’ny sata masina.
Ilay nampijoro, nampijoro anao,
ka tsy hitako intsony, izay azoko atao,
ahafahako mamafa, ity hadalako,
mba ho toy ny lasa, rehetra nofafako.

Saingy indrisy fa, niahy novetavetaiko,
ny hany mba fahafahako,
mety nahafahako namafa ireny!
Tampeno ny vavako, aza avela hiteny.

Fa sao indray hanompa, hisoketa anao!
Avelao aho, avelao hitalaho,
hofatoran’ny neniko,
na dia ho mandramaty.
Sakano ny tanako, tano ny peniko,
tsy hanoratra akory, izay fery tsy tanty.
Sao mbola hovetavetaiko, anatin’ny amboarako,
ny anaranao, ry ilay Gasikarako!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Lien:
296 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227