NY FOKO EFA TIA (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKO EFA TIA
Ny foko efa tia, tia hatramin’ny ela, saingy re niahotra.
Tena tia anao, ny aty manontolo, fa izy no natahotra.
Tsy misy satria, raha ny fitia anatiko, fa toy ny afo iray mirehitra.
Tena tiako ianao, ka mety tsy ho tantiko, ny hanohitra azy hitselatra.

Ny foko efa tia, raha vao nahita anao, saingy tsy sahy niteny.
Naniry ny hiara-dia, ny tao anaty tao, nefa nofy ireny.
Ny foko te hilaza, hitroatra anaty hika, fa tiako, tiako ianao!
Nefa ny eritreritro, manahy ny amintsika, eny hatramin’izao.

Ny foko efa tia, tia hatramin’ny ela, saingy nitahiry.
Ankehitriny re mitroatra, ‘lay vony nototofana, ka injay mitsiry.
Indraindray toa rano, ranomason-tava, no nanondraka azy teny,
satria ny foko tia, toa mikiry mafy, fa tsy te ho irery.
RRAG
28 Mey 2005
--------
Lien:
343 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0275