NY NAMANA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NAMANA…!
Ny namana dia tokana, izay tsy manadino,
masoandro iray miposaka, taratra fanilo,
tsy mivadi-toky, izay naloa-bava.
Ny namana tsy iza? Fa ny taratry ny mazava!

Ny namana dia raozy, toy ‘rony an-jaridaina.
Misy tsara paozy, saingy! Zavonin’ny maraina.
Tsy menatra ny hivadika, hivadi-pitokisana,
ny namana mpamadika, tsy mendri-kitokisana.

Ny namana dia misy, toy ny volamena,
saingy toa indrisy, zary fanantena,
nofinofy ihany, fa tsy ho tena izy.
Asa, any an-danitra any, hisy iray tsy hangidy?
RRAG
Sabotsy 28 Septambra 2013
--------
Lien:
455 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251