NY NOELIN-DRAOZY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NOELIN-DRAOZY…
Ny noelin-draozy! Fambara fahafatesana,
fanao veloma aina, raha hamonjy vazy.
Ny noelin-draozy! Tsy misy fiambesana,
fa misy felam-bao, tinapaka sahady.

Ny misasak’alina, fanehoan-taraina.
Misy aza malazo, tsy mahandry ny maraina!
Fa mivarahontsana, mihovitra miahotra.
Ny noelin-draozy, fambara mampatahotra!

Ny noelin-draozy, figogogogon’ny natiora.
Ny voronkely aza, mangina tsy mihira.
Misaona mitomany, miaraka amin’ny tany.
Ny noelin-draozy, no fototr’izany!

Ny noelin-draozy, isan-daha-Janahary.
Mampiangatra ny lanitra, amin’ny zavaboary!
Porofom-panavahana, misy eto an-tany.
Ny noelin-draozy, no tena kianjan’ny tomany!
RRAG
25 Desambra 2012
--------
Lien:
304 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231