NY TENIN-DRENY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENIN-DRENY…!
Hireharehana ny mahay miteny,
teny vahiny mahadonto ny sofina.
Izany hono e! No hoe tenin-dReny,
teny malama toa mora tononina.
Teny mahitsy faranan’ny teboka,
homem-boninahitra fa kanto ery.
Ny an’ny tena anefa toa lasa fievoka,
natakalo mihitsy aza toy ny“Friperie”!
‘Zay tontatontan’akanjo tsy ilain’ny vahiny,
nanariana ny landy izay fanao fahiny!

Lazaina ny hakantony fa mahasodoka,
teny mandalo fa saingy nitoetra.
Tenin-dReny hono e! Dia voadokadoka,
ka zary eboebo hila tsy hisy fetra.
Ny kilonga amin’izany revo ery,
mitanisa amin’ny teny nanjanahana antsika.
Ka ‘zay mahay miteny, no hoe “Favorie”!
Dia nariana e! Izay napetrak’ireo razantsika.
Satria tokoa angamba iny ilay fahiny,
hafa ihany koa izany hoe: “Tenim-bahiny”.

Kanefa aza hadinoina fa ny tany mandroso,
miaina amin’ny azy tsy nihindrana ny an’ny hafa.
Tsy hevitro izany fa tena voaporofo,
fa ny tenin-dReny eto, toa fiaina-mahazatra.
Sakafo isan’andron’ny sofin’ny tena,
tsy maintsy miloaka izany ny lela.
Hany zary fahazaran’iray firenena,
dia aiza amin’izany, izay fahaleovantena?
Raha ny teny ampiasaina dia tenim-bahiny,
sa kosa lahy tsy maintsy izay ankehitriny?
RRAG
Mey 2013
--------
Lien:
390 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219