NY VONINKAZO HONO MANTSY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VONINKAZO HONO MANTSY…
Ny voninkazo hono mantsy,
voa miavaka sy tokana!
Mamelombelona ny anaty,
na dia ireo mihosim-potaka.

Ka koloy ho kanto hatrany,
ho rava-jaridaina.
Ho endri-kanton-tany,
hamafa ireo taraina!

Ny voninkazo hono mantsy,
no mosoara fanindroany!
Famafa ranomaso,
novokarin-tsetra sy ankaso.

Ka nanarona ny tava,
nandrava ‘lay tsikikeliny.
Tsy nety mba nisava,
ninia nanitatra ny feriny!

Ny voninkazo hono mantsy,
no ravaka miava-toetra!
Tsy misangisangy ratsy,
ka hoe hamingana sy hisetra.

Fa toa tokam-po ihany,
miendri-kaja samy voary.
Ilay mamafa ny tomany,
mandrakotra ny fiainan-tany!

Ny voninkazo hono mantsy,
soa avy amin’ilay Nahary!
Fanilom-po ‘zay miantsampy,
ka mitia tsy misy jaly!
RRAG
Febroary 2012
--------
Lien:
357 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218