PAINGOTRA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PAINGOTRA…!
Eh! Any ho any izao, dia misy fo maràtra,
mba mieza-mampitony, ny feriny ao anaty,
sendra voankason’ny, sedra efa mahazatra,
kanefa tsy milefitra, amin’ny raha tsy tanty!

Azo koa heverina fa, any ho any misy sento,
tsy mety mba mangina, anaty fitoniana,
indrisy vokatr’alahelo, natamberim-betso,
satria tokoa mantsy, nilaozan’olon-tiana.

Any ho any koa, tsy maintsy misy ranomaso,
mirotsaka mijojo mipatrapatraka eny, voka-pijaliana,
tena resy mafy reraky ny ady, sy tofoky ny ankaso,
ka tsy afaka hanatanteraka, ny vetsom-paniriana.

Tsy azo hadinoina koa fa, any ho any misy fo,
misaona mitomany fa, nilaozan’ny tiana,
tinapaka ny lalany, tsy afaka hiara-droa,
satria itsy farany, nandao ny fandriana!
Namonjy efi-bato, fonenan’ny olo-maty,
hisarahany amin’ny velona, mandrakizay!

Paingotra ny fiainana, misy setrasetra mety tana ihany,
ny fanaintainana anefa, dia tsy ho voazaitra hatrany,
fa dia mitoetra eny, mifaraingoka amin’ny tany,
paingotra harafesina saingy indrisy, manindrona ihany.
RRAG
31 Mey 2018
--------
Lien:
670 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244